Jeremiah 22:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efitrano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.
Malagasy Bible 1865
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena.
malagasy
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.