Jeremiah 22:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona dia tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! Na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona dia tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! Na: Indrisy ny voninahiny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona dia tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! Na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona dia tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! Na: Indrisy ny voninahiny!
malagasy