Jeremiah 22:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ny sedera, indrisy ny fisentoanao, rehefa hiharan’ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!
Malagasy Bible 1865
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ny sedera, indrisy ny fisentoanao, rehefa hiharan’ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana!
malagasy
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao]