Jeremiah 22:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa va ity lehilahy Jekonia ity dia vilany efa fanary sy efa torotoro, na fanaka tsy misy ilàna azy intsony no dia nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ny tany tsy fantany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»
Malagasy Bible 1865
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa va ity lehilahy Jekonia ity dia vilany efa fanary sy efa torotoro, na fanaka tsy misy ilàna azy intsony no dia nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ny tany tsy fantany?
malagasy
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?