Jeremiah 22:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny! Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hanjaka indray amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.
malagasy