Jeremiah 22:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tanterahinareo tsara izao teny izao: ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity, mitaingina kalesy aman-tsoavaly dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
malagasy