Jeremiah 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.