Jeremiah 22:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hataon’ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»
Malagasy Bible 1865
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny.
malagasy
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.