Jeremiah 23:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa feno fijangajangana ny tany; noho ny fanozonana dia misaona ny tany; maina ny kijana any an’efitra. Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy; ny heriny dia ny tsy rariny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.
Malagasy Bible 1865
Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon 'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.
malagasy
Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']