Jeremiah 23:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy ka samy tsy misy miala amin’ny faharatsiany avy; eny, izy rehetra, Amiko, dia tonga tahaka an’i Sodoma, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy ka samy tsy misy miala amin’ny faharatsiany avy; eny, izy rehetra, Amiko, dia tonga tahaka an’i Sodoma, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.
malagasy