Jeremiah 23:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany maminany aminareo, mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo; ny fahitana avy ao am-pony no ambarany, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.
malagasy