Jeremiah 23:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sahy milaza amin’izay manamavo Ahy izy hoe: NY TOMPO no nilaza hoe: Hahita fiadanana ianareo; ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony dia ilazany hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay manamavo Ahy ilazany hoe: Izao no voalazan’i Iaveh: Hiadana ianareo, ary izay rehetra manaraka ny haratsian’ny fony, ataony hoe: Tsy hisy loza hanjò anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›
Malagasy Bible 1865
Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sahy milaza amin’izay manamavo Ahy izy hoe: NY TOMPO no nilaza hoe: Hahita fiadanana ianareo; ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony dia ilazany hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
malagasy
Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.