Jeremiah 23:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.
Malagasy Bible 1865
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO.
malagasy