Jeremiah 23:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: «Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?» dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany, ary hariako ianareo.» - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan 'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]