Jeremiah 23:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben’olona, hanao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,» dia hovangiako io olona io mbamin’ny ankohonany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany.
malagasy
Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.