Jeremiah 23:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›
Malagasy Bible 1865
Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika.
malagasy
Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.