Jeremiah 23:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, indro avy ny maraina, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra avy any amin’ny tany Ejipta;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,
Malagasy Bible 1865
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
malagasy
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;