Jeremiah 23:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa hoe: Velona i Iaveh, izay nitondra sy nampody ny firenena taranak’i Israely, avy any amin’ny tany avaratra sy ny tany rehetra nandroahako azy. Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »
Malagasy Bible 1865
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.
malagasy