Jeremiah 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.
Malagasy Bible 1865
Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona.
malagasy
[Ny amin'ny aviavy roa sobiky] Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.