Jeremiah 24:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sobika iray dia nisy aviavy tena tsara, dia toy ny aviavy voaloham-bokatra; ary ny sobika iray kosa dia nisy aviavy izay tena ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.
Malagasy Bible 1865
Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sobika iray dia nisy aviavy tena tsara, dia toy ny aviavy voaloham-bokatra; ary ny sobika iray kosa dia nisy aviavy izay tena ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
malagasy
Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.