Jeremiah 24:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Homeko fo hahalalany Ahy izy, hahafantarany fa i Iaveh Aho; ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy; satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy.
malagasy
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.