Jeremiah 24:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’NY TOMPO: Toy izany no hanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ny tany Ejipta,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin’i Iaveh - no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin’ity tany ity, ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny mbamin’ireo mponina sisa tavela ao Jerosalema ary koa ireo olona tsy niala teo amin’ity tany ity sy ireo lasa nipetraka tany Ejipta, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko toy ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’NY TOMPO: Toy izany no hanolorako an’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ny tany Ejipta,
malagasy