Jeremiah 24:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, hatolotro ho fampangovitana sy ho loza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho fandatsa sy oha-pitenenana ary ambentinteny sy fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany, ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin’ny tany rehetra handroahako azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.
Malagasy Bible 1865
eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, hatolotro ho fampangovitana sy ho loza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho fandatsa sy oha-pitenenana ary ambentinteny sy fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy.
malagasy
eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.[Na: ho fampangovitana]Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.