Jeremiah 25:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.
malagasy
Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.