Jeremiah 25:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, tao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny loza, koa ho afaka madiodio va ianareo? Tsy ho afaka madiodio ianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo tanàna izay natokana ho Ahy aza no nanombohako nandefasana loza, ka ianareo ve no hataoko afa-maina? Tsia, tsy hataoko afa-maina ianareo, fa hiantso sabatra hamely ny mponina rehetra eo amin’ny tany Aho. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, tao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny loza, koa ho afaka madiodio va ianareo? Tsy ho afaka madiodio ianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy