Jeremiah 25:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny taona fahatelo amby folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia telo amby roapolo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha vao maraina aho ka nilaza nefa tsy nihaino ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taona izay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny taona fahatelo amby folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia telo amby roapolo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha vao maraina aho ka nilaza nefa tsy nihaino ianareo.
malagasy