Jeremiah 25:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe: NY TOMPO hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe: «Mitrena any ambony i Iaveh nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina, mitrena mafy mamely ny taniny; akoran’ny mpioty voaloboka no alefany, manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.
Malagasy Bible 1865
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe: NY TOMPO hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.
malagasy