Jeremiah 25:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa NY TOMPO manana ady amin’ny firenena; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka; satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra, mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana, manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga amin’ny mponina rehetra amin’ny tany izany feo mitrena ataon’ny Tompo izany, ary tafapaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Manana ady atao amin’ireo firenena ny TOMPO ka miantso ny olona rehetra ho eo amin’ny fitsarana. Izay olon-dratsy dia hatolony haringana. Izany no teny hentitry ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa NY TOMPO manana ady amin’ny firenena; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra, hoy NY TOMPO.
malagasy
Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.