Jeremiah 25:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany ny voavonon’NY TOMPO dia hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany iray ka hatrany amin’ny farany iray hafa koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh, hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa; tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, manomboka amin’ny tendron-tany ankilany ka hatrany amin’ny tendron-tany andaniny, izay nasian’ny TOMPO ho faty dia tsy hisaonana; tsy hangonina na halevina izy ireny, fa ho tonga zezika eo amin’ny velaran-tany.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany ny voavonon’NY TOMPO dia hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany iray ka hatrany amin’ny farany iray hafa koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.
malagasy