Jeremiah 25:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Midradradradrà ianareo mpitondra, ary miantsoantsoa mafy; eny, mihosinkosena ianareo mpiandry ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fianjeran’ny fanaka sarobidy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry, fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo; hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.
Malagasy Bible 1865
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.