Jeremiah 26:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nony ren’ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany dia niakatra avy tany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankany amin’ny tranon’NY TOMPO ary nipetraka teo anoloan’ny vavahady vaovaon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nony ren’ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany dia niakatra avy tany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankany amin’ny tranon’NY TOMPO ary nipetraka teo anoloan’ny vavahady vaovaon’NY TOMPO.
malagasy
Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.