Jeremiah 26:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany dia nilaza tamin’ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa naminany loza ho amin’ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ny sofinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin’ny mpitondran’i Joda ary koa tamin’ny vahoaka rehetra teo: –Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany dia nilaza tamin’ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa naminany loza ho amin’ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ny sofinareo.
malagasy