Jeremiah 26:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.
Malagasy Bible 1865
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
malagasy