Jeremiah 26:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»
Malagasy Bible 1865
Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona* dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12).
malagasy
Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).