Jeremiah 26:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa namono azy va i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra NY TOMPO va izy ka nifona tamin’NY TOMPO, dia nanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampiditra loza lehibe amin’ny tenantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.
Malagasy Bible 1865
Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa namono azy va i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra NY TOMPO va izy ka nifona tamin’NY TOMPO, dia nanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampiditra loza lehibe amin’ny tenantsika.
malagasy