Jeremiah 26:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijoroa eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ka lazao amin’ny tanànan’ny Joda rehetra izay avy hiankohoka ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no voalazan’ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan’ny tranoko ianao ary mitenena amin’ny olona rehetra mponin’ireo tanànan’i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijoroa eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ka lazao amin’ny tanànan’ny Joda rehetra izay avy hiankohoka ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
malagasy