Jeremiah 26:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy iray izay koa naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO, dia i Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-Jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka ireo teny rehetra nataon’i Jeremia teo ireo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin’ny anaran’ny TOMPO, dia i Orià zanakalahin’i Semahià sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon’i Jeremià.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy iray izay koa naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO, dia i Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-Jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka ireo teny rehetra nataon’i Jeremia teo ireo koa.
malagasy