Jeremiah 26:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ireo komandiny rehetra ny teniny dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka. Nony nandre izany i Oria dia natahotra ka nandositra ary tonga tany Ejipta;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha nandre ny tenin’i Orià i Jôiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren’i Orià izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;