Jeremiah 26:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.
malagasy
Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.