Jeremiah 26:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty.
Malagasy Bible 1865
Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka.
malagasy
Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.