Jeremiah 26:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ianao no naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO hoe: Ho tahaka an’i Silo ity trano ity, ary ho lao ity tanàna ity ka tsy hisy mponina intsony? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’i Jeremia tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » - Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity? Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ianao no naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO hoe: Ho tahaka an’i Silo ity trano ity, ary ho lao ity tanàna ity ka tsy hisy mponina intsony? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’i Jeremia tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy