Jeremiah 27:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe:
malagasy
[Ny amin'ny zioga hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe: