Jeremiah 27:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
malagasy