Jeremiah 27:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy NY TOMPO, nefa misandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo sy hahalany ringana anareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hentitra kosa ny tenin’ny TOMPO hoe: ‹Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin’ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo.› »
Malagasy Bible 1865
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy NY TOMPO, nefa misandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo sy hahalany ringana anareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
malagasy
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.