Jeremiah 27:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan’i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny TOMPO, satria lainga izay nambarany taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana.
malagasy