Jeremiah 27:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ireo andry, ranomasina, fototra mbamin’ny fanaka sisa tafajanona amin’ity tanàna ity,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa manan-kolazaina ny TOMPOn’izao rehetra izao momba ireo andry sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kovetabe misy tongony mbamin’ireo fanaka hafa mbola eto Jerosalema. (
Malagasy Bible 1865
Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,
malagasy
Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,[Heb. ranomasina]