Jeremiah 27:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.)
Malagasy Bible 1865
dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema,
malagasy