Jeremiah 27:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho any Babilona no hitondrana ireo sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy NY TOMPO, avy eo vao hoentiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho any Babilona no hitondrana ireo sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy NY TOMPO, avy eo vao hoentiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity.
malagasy
Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.