Jeremiah 27:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany.
malagasy