Jeremiah 27:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Noho izany, dia aza henoinareo ny mpaminaninareo na ny mpisikidy milaza ny hoavy amin’ny antsapaka, na ny mpilaza nofy na ny mpanandro na ny mpimasy izay mihambo fa tsy hanompo an’i Nebokadnetsara ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo.
malagasy